Tonga soa eto amin’ny pejin’ny FLGA na ny Foibe Fikarohana Momba ny Litorjia Gilles Gaide Ankalazao ny Tompo Amboara Ambohidratrimo.

Toeram-piasan’ny Ekipa Ankalazao Ny Tompo ny FLGA, toerana fanaovana ny fikarohana, ny famoronana, ny famokarana sy fandraisam-peo ny hira ampiasaina amin’ny vavaky ny Fiangonana.

Azon’ny tsirairay atao ny manjifa ny toerana raha misy fivahinianana tsy maintsy atao na hetsika hafa toy ny fiatahana masina na fivoriana hatramin’ny lanonam-pankalazana rehetra tsy mifanohitra amin’ny foto-pisainan’ny Fiangonana. Omena tombon-dahiny manokana amin’izany ireo zanaky ny fiangonana avy any amin’ny faritany ka voatery mivahiny eto Antananarivo ary indrindra ireo mitondra taratasy fanirahana avy amin’ny lehibeny (pretra tompom-paritany, lehibem-pikambanana masina, …)

Azonao jerena ato amin’ny pejy ireo zava-misy rehetra ao an-toerana